Am-periny tanteraka amin’ ny hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ ny FFKM, ireo antoko politika sasany amin’izao fotoana izao. Ho an’ny eo anivon’ny Irmar, efa nanolotra ny sori-dalana tamin’ny iraky ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA) farany teo izy ireo mba hoentina amin’ny fihaonambem-pirenena. Efa an-dalam-pamolavolana ny tondrozotra koa ny avy amin’ny Tim. Efa manana ny azy ny HMM ka anisan’ny miavaka amin’izany ny hanaovana ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Efa mandeha koa anefa ny karazana dinika santatra. Anisan’ny efa nanomboka izany, ny faran’ny herinandro teo, ny vovonana Panorama, ahitana ireo tanora Gen Z-KMSI sy ireo antoko politika miara-dia aminy, toy ny MFM sy ny avy amin’ny RMDM, mpanohana ny fitondrana. Anisan’ny takin’ izy ireo ny hanadiovana ny tokotany mialoha ny hiatrehana fifidianana.
Eo koa ny tokony hifidianana Lalàmpanorenana fa tsy fitsapana ny hevitry ny vahoaka, tahaka ny nahazatra fotsiny. « Tsy notanterahina sy narahina ny fehinkevitr’ireo fikaonandoha rehetra natao teto amin’ny firenana hatramin’ izay ka tonga izao ny fotoana », hoy izy ireo. Nambaran’ireto vovonana ireto fa tokony hiainga amin’ireo mpandray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena hatrany ny fehinkevitra ary tokony ho hita taratra ao anatin’izany ny hevitry ny hery velona sy ny antoko politika mandray anjara. Efa manana ny fehinkevitra, niainga tamin’ io dinika santatra io izy ireo ary hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. « Tanjonay ny hampitovy tadin-dokanga mialoha ny tena fikaonandoha », hoy izy ireo.
Synèse R.




