Nifarana omaly, ilay tetikasa momba ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy, ho an’ny tanora. Notanterahin’ny ONG Human Development Action (H.D.A) sy ny fandraisan’anjaran’ny Vaomieram-pirenena malagasy Unesco (Com/Nat) izy ity. Lohahevitra telo lehibe no nofakafakaina sy nisintonana hevi-dehibe maro. Teo ny fitondran-tena manoloana ny fampiasana ny finday. Misy lalàna ny sehatra fifaneraserana sy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ary ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ho any amin’ny fanabeazana ho olom-banona.
Fantatra tamin’izany fa saba-droa lela ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera ka mila fitandremana. Mitaky fanabeazana ho an’ny tanora izany. Mila fitondran-tena sy fifehezan-tena, tsara, maharitra ary mateza mba tsy hanimbana ny tena sy ny manodidina. Tany anivon’ ny sekoly Lycée, oniversite, fikambanana samihafa no nanatanterahina ny fampitan-kevitra, fifanakalozan-kevitra, fanentanana ary adihevitra… Tanora 6 292 no nahazo izany teto Antananarivo, distrikan’i Manjakandriana, Toamasina ary Mahajanga.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ity tetikasa « fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy » ity ihany koa ny fampiofanana momba ny fiarovana ny tahiry manokan’ny tsirairay (données personnelles). Eo koa ny ady amin’ny fanelezana vaovao tsy marina, ny fibeazana maha olona manoloana ny niomerika ary ny fiantraikan’ny teknolojia eo amin’ny fahasalamana (vatana, saina).
HaRy Razafindrakoto




