Saika foto-dresaka amin’izao ny hoe fanovana? Raha vao trangan-javatra tsy araka izay iheverana azy: izany ve ny hoe fanovana? Manara-maso ny olona, sarotiny, tsy manaiky lembenana… Amin’izany, ambenti-teny ny hoe fanovana toe-tsaina. Mby aiza? Eo indrindra izao… Ny zava-misy iainana ve no manova ny toe-tsaina sa ny toe-tsaina no anovana ny zava-misy? Na mifampitsimbalivaly tsy afa-misaraka ny toe-tsaina sy ny zava-misy… Miara-dalana na ao anatin’izany ny fijery, ny fomba fiasa, ny fifandraisana… Ataon’izay ao anatin’ny fisavoritahana sy fahalotoana ary fahamaimboana isan’andro, mandavantaona, ahoana, ohatra, ny hilamina sy hadio? Na ataon’ny tsirairay ahoana ny fanajan-dalàna, rehefa tsy hita hotahafina izay manaja lalàna, izay tombontsoa amin’ ny fanajana lalàna…
Mila fiaraha-mientana ny fanovana toe-tsaina? Na fomba fiasa, na fifandraisana… Misy tsy mahazaka tenenina na hahitsy? Tsy vitan’izany, ilaina atomboka dieny izao koa amin’izay hoe fanovana toe-tsaina izay ny fanovana na fanitsiana miandalana ny zava-misy ho amin’ izany. Ny fanajana sy fampiharan-dalàna, ohatra, no manova toe-tsaina, ny fifampitenenana na fifampierana amin’izay atao, ny fifanajana, ny fifampitsinjovana… Tsy hanova inona izay fanovana toe-tsaina, raha tsy ny rehetra no miera-miezaka ho amin’izany. Misy ny tsy vonon-kiova na tsy miraharaha izany fa saika manamarin-tena mandrakariva amin’ny hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra, na tsy vonon-kiova fa miandry ny hafa hiova… Ny taotrano tsy efan’ny irery na vita vetivety? Vao mainka ny toe-tsaina…
Tena hiova sy hanova? Dieny izao, mila miova sy manova amin’ny fifanaraha-maso, fifanitsiana, fifampierana, fifampitsinjovana… Mila mandini-tena hahitana ny hafa? Na mijery ny hafa handinihan-tena…
R. Nd.




