Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony tetsy Ampitatafika, omaly tamin’ny 7ora sy sasany maraina, ny raim-painakaviana iray 36 taona. Efa nentin’ny rano avy any ny razana ary teny Ampitatafika vao hita. Heverin’ny olona fa ondana na zavatra hafa izany hay olona efa maty natsingevan’ny rano. Tonga teny an-toerana nahitana ny razana […]
Mois : novembre 2025
Fisavana sandoka tetsy Antehiroka: Miaramila roa voasambotra, efatra hafa tafatsoaka
Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafaporitsaka […]
Amoron’i Mania : Basy mahery vaika miisa 41 nogiazana
Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona. Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fitaovam-piadiana fampiasan’ny […]




