Mois : novembre 2025

FJKM Manankasina : Hanorina fotodrafitrasa

Nambaran’ny mpikarakara sy ny solontenan’ny zanaka am-pielezana fa manana vina ny fiangonana FJKM Manan­kasina Fanantenana, Alakamisy Fenoarivo. « Anisan’izany ny hampitomboana ny fotodrafitrasa, ny trano vatom-piango­nana », hoy izy ireo. Na izany aza, marefo ireo ao an-toe­rana ka nahatsapa ny tokony hanampiana ny reny fiangonana hahatanteraka izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa hitadiavam-bola, ireo […]

Fikaonandoham-pirenena kristianina: Hanomboka anio ary haharitra hateloana eny Mandrimena

Natokana ho an’ny rehetra vonona hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-piangonana ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hanomboka anio ary ha­haritra hateloana ny fi­kaonandoham-pirenena kristianina voalohany eto Madagasikara, hotanterahina eny amin’ny ISTS Mandri­mena Iavoloha. Tafiditra amin’ ny fanamarihana ny faha-190 taonan’ny Baiboly ny hetsika. Misahana ny fanomanana izany ny […]

TSELATRA

Nosoloina ny CB sy ny delege miasa eo anivon’ ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, taorian’ ny fitokonana nataon’ny fokonolona. Ny fisian’ny tranga kolikoly sy fangalana vola tsy ara-drariny momba ny fanoratana omby anaty boky sy taratasin-tany tamin’ny vaho­aka tao an-toerana no antony. Dahalo nangala-basy tao Beroroha Atsinanana, lavon’ny balan’ny zandary, ny […]

Ambodivona : Lehilahy nangalatra 5 tapitrisa Ar voasambotra

Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambo­di­voina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Ava­ratra io lehilahy io. Nana­raraotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nan­javona nanomboka ny 10 no­vambra lasa teo. Nanama­rina ny vola tao an-tsena ny mpam­piasa azy, kinanjo […]

Voalaza ho nangala-bola : Tovolahy nananton-tena tamin’ny tady

Hita faty nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, tany Maha­tsinjo, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly atoandro, ny tovolahy iray manodidina ny 13 taona. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy, ary tamin’ny fotoana tsy nahatao ity farany no namonoany tena. Nandeha nivoaka niasa maraina ny reniny. Vatana manga­tsiaka efa nihantona tamin’ny tady sisa novantaniny tao […]