Voasambotra, taorian’ny vela-pandrika nataon’ny OPJ, polisin’ny rano sy ala, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), omaly, ny vehivavy iray mpivarotra sokatra ao amin’ny tambajotra sosialy. Efa narahi-maso andro maromaro ny tenany noho io teti-dratsy io ka izao tratra izao niaraka tamin’ny biby arovana nefa saika hamidiny. […]
Mois : novembre 2025
Famatsiana herinaratra : Hotohizana ny hetsika fandatsahana orana
Nandroso vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, raha nitafa mivantana tamin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza. Vahaolana naroson’ny minisitra ny hanohizana ny hetsika fandatsahana orana (opération pluies provoquées) na OPP, rehefa afaka manao izany ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, afaka handray lalao amin’izay ny Kianjan’ny Camp Nou, ao Espagne. Ny asabotsy ho avy izao, ao ny ekipan’ny FC Barcelone no hampiantrano an-dry zareo Athletic Bilbao. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, « La Liga ». Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa ny FC Barcelone […]
“Orange kilonga M’kanety” : Lasan’ny ekipan’i Betafo ny amboara
Tontosa ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny sabotsy 1 novambra lasa teo, tany Antsirabe, ny andiany fahadimy amin’ny “Orange kilonga M’kanety”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana ho an’ny sokajy 17 taona no ho midina (U17), zazalahy, nokarakarain’ ny Orange Madagascar sy ny Place de la pétanque Ampefiloha. Nandrombaka ny amboara i Brayan […]
Baolina kitra : Hitsapa fahaizana ao Nantes France i Bono
Misandratra hatrany ny Malagasy mpilalao. Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hanao fitsapana ao amin’ ny klioban’ny Fc Nantes diviziona voalohany ao France, i Bono, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha ny vaovao navoakan’ny Disciples Fc tao amin’ny pejiny, efa tonga ao amin’ny ivotoeram-piofanan’ny FC Nantes i Bono. Hanao […]




