Efa misokatra ny fanadihadiana tamin’ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary tamin’ireny hetsika an-dalambe ireny, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny zandary, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Niatrika ny famindram-pibaikoana teo anivon’ny vondron-kerin’ny zandarimaria sy ny kaomandin’ny fari-piadidiana ny tenany, ny zoma teo.
Hiroso amin’ny sivana amin’ireo dosien’ireo kandidà ho lehiben’ny faritra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, amin’ity herinandro ity. Anisan’ny masontsivana notakiana ny fananana mari-pahaizana « Maitrise » sy traikefa dimy taona farafahakeliny eo amin’ny fitantanana ny faritra. 3 000 latsaka ireo dosie voaray.
Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny « Raharaha Ambohimalaza », araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny zoma teo, tetsy Anosy. « Mbola maro ireo karazana fanadihadiana atao amin’ireo voakasika tamin’iny raharaha iny. Antony tsy mbola irosoana amin’ny fitsarana izany », hoy izy.
Manaitra ny fitondram-panjakana ireo mpiasa misotro ronono eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toliara. Nambaran’izy ireo fa tsy mbola voaloa ny fisotroan-drononon’izy ireo efa an-taonany maro. Misy ireo efa nodimandry na koa ao anatin’ny aretina amin’izao fotoana izao. Ao koa ireo sahirana ka miantso ny mpitondra hijery izany izy ireo.




