KMF/Cnoe : “Mbola manjavozavo ilay fikaonandoham-pirenena”

“Amin’izao, izay resahina rehetra dia hoe any amin’ny fikanandoham-pirenena. Nefa izay aza mbola manjavozavo. Tsy fantatra hoe ahoana ma­rina, miainga aiza, iza no handray anjara, inona avokoa no hodinihina? Ilay fikaonandoha izao no tokony hikaonan-doha”. Io ny fanehoan-kevitry ny fi­loha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, tany Morondava ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fikaonandoham-pirenena. Hafa­hafa ihany raha noho ny fikaonandoham-pirenena no am­piatoana ny fihodinana ny fiainam-pirenena. Tokony hatrehina izay azo atrehina. Raha ahemotra aorian’ny fikanandoham-pirenena avokoa ny zava-drehetra, sao hadino daholo koa… Mila dinihina sy ifankahazoana tsara ny hoe fanovana. Inona marina ary inona no hatao? Ny zavatra efa misy no havaozina, fa tsy harodana avokoa dia hanangana vaovao. Mila ifampiza­rana na izay fijery izay aza.
Ny fampihantonana ny fa­navaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale), ohatra: ny lalàna no mametraka azy, hanatsarana ny kalitaon’ny lisi-pifidianana. Ny hita hatramin’izay, noho ny tsy fisian’ny vola: toy ny ataotao foana ny Rale. Aleo tsy manao toy izay manaotao foana. Ny tsy fa­naovana azy koa anefa manapaka ny fandehan’ny fanomanana ny fifidianana. Eo amin’ ny lafiny vola, mba misy tahiry tsy mivoaka. Nefa tsy ny tsy fanjariany no ampihantonana azy, fa tokony hohatsaraina hatrany… Mbola tokony ho­beazina amin’ny fidirana ao anatin’ny lisi-pifidianana ny olompirenena. Ny fanajano­nana ny Rale amin’izao, sao vao mainka hahatonga ny Malagasy mieritreritra hoe: izay izany… Lasa tsy fihodi­nana mitohy ny zotram-pifidianana, fa mitokana na misin­gana amina fotoana iray voafaritra

R. Nd.

Partager sur: