Toromariky ny minisIteran’ny Atitany : Voarara ny mamory mpianatra hitsena manampahefana

Miroso tsikelikely amin’ny fanovana sy fanavaozana. Nilatsaka ny baiko avy amin’ny minisiteran’ny Atitany manoloana ireo fidinana ifotony ataon’ny mpitondra fanjakana.

Namoaka didy izy ireo fa tsy azo atao intsony ny mamory olona maro tsy avoakasiky ny fandalovan’ny tomponandraikim-panjakana. Anisan’izany ny mpianatra, ny mpampianatra na koa ireo sampandraharaha teknika tsy anisan’ny tafiditra amin’izany fidinana ifotony tanterahan’ny minisitra na mpitondra fanjakana izany. Vita hatreo izany ireo karazana fihetsiketse­hana sy seho ivelany handraisana tompon’andraikitra ka hamoriana vahoaka marobe sy hanakatonana birao na sekoly mihitsy, ka tsy ampianarana ny ankizy.
Noferana sy natokana ho an’ny tomponandraikitra vitsivitsy ny fandraisana ireny mi­nisitra na mpikambana eo anivon’ny governemanta ireny. Anisan’izany, mitsena sy mandray azy ireo ny « Préfet – Préfet de police » na koa ny sefo distrika.
Voalaza ho anton’izany ny fialana amin’ny fivorivoriana tsy misy dikany loatra. Eo koa anefa ny tsy hisian’ny fanabatabana ny fandehanan-draharaha eo amin’ny asam-panjakana isan-tsokajiny na koa fampiatoana izany mandritra ireny fidinana ifotony ireny, raha tsy voakasika ilay sampan-draharaha.

Politikan’ny fitsitsiana
Tsiahivina fa efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny mini­sitra, herinando vitsy lasa, tsy voatery hiandry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika avokoa ny fitokanana sy ny fanombohana tetikasa eny ifotony na any amin’ny faritra. Tafiditra amin’ny fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana irosoan’ny fitondram-panjakana izany sady fialana amin’ny fandaniana mihoapampana ary koa ireo fivezivezen’ireo tomponandraikitra marobe.
Midika izany fa ireo minisitera tsirairay ihany no hanatanteraka mivantana ny lanonana sy ny fanokafana ireo asa vita na koa tetikasa eo amin’ny sehatra misy azy avy.
Tanjona amin’izany ny hampandeha haingana ny asa fampandrosoana sy ny hanakaikekezana kokoa ny vahoaka amin’ny vokatra azo tsapain-tanana.

Synèse R.

Partager sur: