Tsy ho sakana ny fahavaratra : Hitohy hatrany ny adin-kiragasy

Iray amin’ireo fe-petra takin’ny fanaovana hiragasy ny fananana toetr’andro maina, noho izy tanterahina eny an-kianja. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, hanao dingana lehibe ny tontolon’ny hiragasy.

Ny nahazatra hatramin’ izay, vao tonga ny va­nim-potoanan’ny orana. Mitsahatra ny adin-kiragasy, satria, mikarakara ny eny an-tsaha ny mpihiragasy, sady ratsy rahateo ny lalana. Raha ny fanazavan’i Dadafara filoha lefitry ny federasion’ny mpihiragasy : « ho an’ny eto an-dRenivohitra, tsy hatao ho sakana ny fahavaratra. Noho izany, hitohy hatrany ny adin-kiragasy ». Nambarany fa « ny fivoahana manatanteraka adin-kiragasy ivelan’ny Re­nivohitra no sarotra amin’izao fotoam-pahavaratra izao, sa­tria, ratsy ny lalana. Ny eto an-dRenivohitra, ezahina hotohizana hatrany ».

Omaly, notanterahina, te­tsy amin’ny kianjan-dRaPetit, etsy ambadiky ny Tranom­bokim-pirenena Anosy ny adin-kiragasy makotroka nifanandrinan-dRasoalalao Kavia avy any Ampahimanga sy Fredy Kely avy any Imerin­tsia­tosika. Tarika roa samy andrarezina, hany ka nahasarika ny mpijery avokoa ny renihira nentiny teny an-kianja.
Na teo aza ireo manavanana sy manasongadina ny tarika tsirairay. Samy nahazo sitraka sy fankatoavana avy any amin’ny mpijery avokoa ny roa tonta. Havanana amin’ ny fandaharan-teny sy ny dihy ry Fredy Kely fa tsy latsa-danja tamin’izany ny nanokafan’ny tarika Rasoalala Kavia ny sehatra.
Nambaran’i Dadafara fa « ny alahady 7 desambra izao, mandritra ny adin-kiragasy hifanandrinan-dRanoelson Ampahimanga sy ny tarika Rakotomalala René Anivo­ra­no no hanolorana mariboninahitra an-dRanoelson Ampa­hi­man­ga ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: