Tsy vita ho azy

 

Volana vaovao izao… Andro isaina sisa dia ho tapitra ny roa volana. Fanamby nomena ny governemanta ho amin’ny fanavaozana izay. Mby aiza? Na mba efa misy dingana vita ahay… Tsy inona fa ny amin’izay tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka. Izay antony fototra mahatonga ny hetsiky ny tanora, nampian’ny mpiasa sy ny vahoaka, ary nofaranan’ny miaramila. Eo, ohatra, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana… Ireo no tena maika mampikai­kaika vahoaka. Eo koa ny tsy fisian’asa, ny fahasahira­nana amin’ny fanabeazana sy fahasalamana… Nampi­ron­gatra be ny fitakiana tetsy sy teroa. Nisy nalamina tamin’ny fanaovan-tsonia fehinkevitra teo amin’ny sen­dikà sy ny tomponandraiki-panjakana, ohatra.
Ahoana kosa izay nifanarahana tamin’ny vahoaka? Ankoatra ny zo fototra, nisy izay fanaovana fanamby sy fampanantenana: politika fitsitsiana, ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota… Nisy minisitra talohan’ny fitondrana farany teo, ohatra, tokony no nalefa any amin’ny Fitsa­rana avo (HCJ) noho ny fanodinkodinam-bola, saingy nikatso teny amin’ny Antenimierampirenena ny raharaha. Amin’izao, miverina eto an-tanindrazana: toy ny tsy nanao inona. Maty paikandro ny raharaha? Tsy misy izay fanovana raha mbola misy ny mizana tsindrina ila. Amin’ny toy izany, ny vahoaka no voa mafy amin’ny fanabotriana firenena afitsoky ny sasany. Vita amin’ny fanaovana sesintany tena any ivelany ve ny fanasaziana sy famaizina ny tsimatimanota amin’ny toy izany?
Ahina hiverina ny krizy na korontana politika, fa efa miova izao ny vahoaka: saro-piaro, manara-maso, mety hihetsika avy hatrany… Mampanahy be ihany? Na mampieritreritra… Tsy vita ho azy amin’izao? Na mandeha ho azy… Ho azy, tsy iza fa ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: