Fitaovana iray mahomby ho an’ny ady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ny boky. Mampibaribary ny zava-misy, saingy mamelombelona ny fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa.
«Bâtir l’espoir» na «Manangana fanantenana» raha adika malalaka. Tsy fintina fotsiny ny lohateny, fa maneho avy hatrany ny hafatry ny mpanoratra, Viviane Rahariniaina. Nivoaka tamin’ny voalohan’ny volana septambra teo ity boky ity, izay novokarin’ny mpanoratra ihany. Fantatra kosa izao fa hisy edisiona vaovao hivoaka any France, noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny L’Harmattan. «Tsy miova ny vontoatiny sy ny hafatra hampitaina, fa nisy kosa ny fanatsarana kely nentina, teo amin’ny firafitra sy ny fizarana sasantsany, mba hanasongadinana bebe kokoa ny asa sosialy eto Madagasikara. “Taorian’ny nivoahan’ny boky voalohany, tsapanay fa nisy fiovana manome fanantenana, nisy fihetseham-po maro, sns. Amiko tena fahombiazana ny boky », hoy ny mpanoratra.
Nahakasika sehatra maharary anatin’ny fiarahamonina tokoa ny mpanoratra anatin’ity boky ity. Anatin’ny vanim-potoana anjakan’ny tsy rariny, krizy isan-karazany, fizarazarana, sns, tokoa mantsy ny firenena. Ahoana no mbola hananana fanantenana ho an’ny hoavy ? Ny valin’izay fanontaniana izay indrindra no nanosika an’i Viviane Rahariniaina nampahafantatra ireo tsy mbola mahalala, nanampy fanazavana ho an’ireo efa mahalala fa indrindra nanome ny vahaolana. Misy fandresen-dahatra miainga amin’ny fahatsapana fa azo hiadiana ny tsy rariny rehetra anaty fiarahamonina ao. Miantso ho an’ny firaisankinan’ny tsirairay ihany koa izy satria tsy ny fitsitokotokoana mihitsy no hanatsara fiarahamonina. Natao indrindra aza, ho an’ireo tsy manaiky ny fiononana fotsiny, fa te hitroatra satria mbola mahatoky ny firaisankina, ny rariny sy ny hitsiny.
Mpisehatra eo amin’ny ady ho an’ny zon’olombelona i Viviane Rahariniaina. Mpandraharaha ara-tsosialy ary mpanetsika fikambanana miady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ihany koa. Mpanorina ny Fleurs éveillées Madagascar izy ary filoham-paritry ny Women Up Africa ihany koa. Nandritra ny taona maro izy no nanentana amin’ny tsy fiankinandohan’ny vehivavy anaty fihariana, tamin’ny alalan’ireo karazam-panabeazana isan-tsokajiny. «Te ho mpitondra tenin’ireo tsy afa-manoatra manoloana ny tsy rariny aho», hoy ny mpanoratra.
Zo ny Aina




