FANTINA sy FINTINA

Hirosoana ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao amin’ny Radio Fran­ce internationale (RFI), omaly. Alohan’ny faran’ny taona no heverina hanatanterahana izany. Hatramin’ny nanesorana azy, tamin’ny 12 oktobra lasa teo, tombanana ho any Dubai izy amin’izao. Na izany aza, misy ny fanahian’ny tomponandraiki-panjakana malagasy azy amina raharaha kolikoly goavana.

Isika kristianina no mampahantra an’i Mada­gasikara, araka ny fanambaran’ny kardinaly Tsaraha­zana Désiré, tany Toamasina, afakomaly. Olona mitonona ho kristianina no mitantana ny 95,98% amin’ny “agences” rehetra eto an-toerana, araka ny nambarany. Ety ivelany ihany ny ankamaroan’ny hoe kristianina, fa tsy tena ao anaty ary tsy vonona hanafaka an’i Madagasikara.

Niresaka an-telefaonina voalohany tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo, ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron. Voa­resaka ny maha zava-dehibe ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Nandray ny fanambarana ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena ny filoha Macron. Eo koa ny amin’ny fanavaozana, indrindra ny ady amin’ny kolikoly sy ny fikarakarana fifidianana.

Partager sur: