Sehatra Bagasy volana desambra: Hotanterahina ny « Atrikefa famaranan-taona »

Raikitra! Hiavaka ny ha­ma­ranana ny taona 2025 ho an’ny Sehatra Bagasy sy ireo mpivoy sy mpanandratra ary mpikolokolo ny bagasy. Ho­tan­terahina ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola ny « Atrikefa famaranan-taona 2025», ny sabotsy 6 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Hanamboarantsika fehezam-boninkazo ho an’ny taona 2025. Hiarahantsika mifaly sy mikorana… », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Se­hatra bagasy, raha namintina ny ho fandaharam-potoana amin’io lanonana io.
Marihina fa vina ho an’ity sehatra lehibe ity ny iainan’ny Malagasy ny gadona sy ny ko­lontsaina bagasy. Tanjona koa ny hampiroborobo ny gadona bagasy. Ireo hetsika rehetra (Zara sehatra, atrikefa, sehatra malalaka…) tanterahin’ny Sehatra Bagasy ao anatin’ny taona. Mikendry ha­trany ny hahatongavana sy hahavitana ireo dingana sy tanjona ireo.
Hevi-diso ny filazana fa ny zokiolona na ny antitra no tia bagasy. Ahitana ny sokajin-taona rehetra ny fitiavana io gadona io. Tao anatin’ny 10 taona, nitombo ny tanora liana amin’ny fitrandrahana (mikaroka, mitendry, mihira…) ny bagasy. Nandray anjara lehibe tamin’izany ny Sehatra Bagasy.
… Iray amin’ireo akora, na fitaovana nentin’ny Malagasy nanabe ho olom-banona ny taranany ny bagasy. Ny fo sy ny saina ary ilay « fanahy no olona » no voataizan’ity karazan-gadona ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: