Tsy mbola mahazo kivy  

Manomboka ny volana farany amin’ity taona 2025 ity. Hivalona anatin’ny fiovan’ny mpanao politika izy raha ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Nahazo mpitondra fanjakana sy fomba fanaovana politika vaovao hoenti-miampita any amin’ny taona 2026. Vanim-potoana hanaovana jery todika rahateo izao ka asa miiba sa miabo ny antsika mianakavy.
Raha ny zava-misy aloha, ny olona no vaovao, nivadika ho fakan-tseza sy ho fifandimbiasan’ny mpanao politika sy ny mpanao afera ilay “tontolo”. Efa maromaro sahady ry zalahy mpanefoefo vaovao any ambadimbadika any. Mihazakazaka ny fanangonana izay azo angonina hataon’ireo afaka manao izany. Tsy an-kanavaka io! Samy makamaka maivana eny.
Eto indrindra no hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay avy, izay niandrandra fanavaozana tena izy. Mbola tsy fotoan’ny fanofinofisana aloha izao, fa fotoana fanohizana ny fijaliana sy ny fahoriana nolovaina tamin’ny teo aloha. Samy manilika ny eo an-tokonany, no samy mangorona ny manandrify azy.
Mbola lavitry ny afo ny kitay! Ny ratsy fanaon’ny teo aloha no lovaina sy hataon’ny manampahefana sasany. Ny teo ihany no miverina! Ny miara-miainga mivadika ho miara-mivarina an-kady. Tsy misy fisandratana izany koa ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ny henjana ihany no misongadina sy mahazo tombontsoa.
Tsy natao hahakivy anefa izany, amin’izao fotoan’ny tombana izao. Fotoan’ny fandinihan-tena sy fametrahana fanamby vaovao. Fikatsahana hatrany ny tsaratsara kokoa na mbola maro aza ny sakana. Tsy ny mpanao politika rahateo no afaka hanao fahagagana, fa miainga amin’ny tsirairay. Manomboka amin’ny tena ny zava-drehetra.
Na inona na inona zava-mitranga, tsy mahazo kivy! Tohizana ny fanantenana nipololotra tamin’ireny fitokonana nitadiavam-panavaozana ireny.

r.r

Partager sur: