Nanambara ny fahavononany amin’ny adidy ho an’ny vahoaka indray ny depiote Ratsivahiny Andry, tao amin’ny facebook, omaly. Nanteriny fa ho tohizana ny efa natomboka. « Asa fampandrosoana ho an’ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Mitohy ny asa ho an’ny tantsaha, ny vehivavy… », hoy izy.
Manaiky ny dingana vitan’ny fitondrana ny sehatra iraisam-pirenena, araka ireo fanambarana maro nisesy tato anatin’ny iray volana, raha ny nambaran’ny mpanao politika, Paraina Auguste. Na izany aza, niantso fahamailoana ny tenany. « Mila mitandrina eo anatrehan’ireny anefa ary tokony haneho fa manana ny fiandrianany isika », hoy izy.
Nahitsy ny depiote Milavonjy Philobert. Nambarany fa tsy manaraka lalàm-panorenana ny minisitry ny Fitsarana raha nilaza fa manomana ny didy fanenjehana iraisam-pirenena ny filoha teo aloha Rajoelina ny fitsarana. « Anjaran’ny fitsarana (HCJ) izany fa tsy fitsarana ambaratonga voalohany. Tsy hisy fitoniana koa eto raha izany », hoy izy.
Nanome toky ny mpiasam-panjakana ny minisitra Gascar Fenosoa. Nambarany fa ampy handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny vola na foana aza ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny nandraisan’izy ireo ny fitantanana. « Tena nisy tokoa ilay fiara nitatitra vola niainga tao amin’ny Banky foibe tamin’ ireny hetsika ireny », hoy izy.




