Miroso tsikelikely eny ny fiainam-pirenena. Efa mivelatra manerana an’izao tontolo izao ihany koa ny diplaomasia malagasy. Miverina amin’ny laoniny avokoa ny fifandraisana amin’ny firenena vahiny sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Tsy misy hatahorana intsony raha ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Manga ara-bakiteny ny lanitra!
Efa tsy mitsanga-menatra, tsy misy ahiahy, ny fandehanan’ny mpitondra amin’ny Repoblikan’ny Fanavaozana mankany ivelany. Mijoro sy afaka maneho hevitra. Mitondra ny anjara biriky amin’izay iaraha-midinika any amin’ireny fivoriambe iraisam-pirenena ireny. Raha fehezina, mitohy ny fiainana, mandeha ny raharam-panjakana. Ny vahoaka sisa andrasana mba hihavao ihany koa.
Iaraha-mahita ny toe-javamisy eto an-toerana, mbola somary mihenahena sy mitarazoka. Mampisy fifandanjana amin’ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana, ny hasina omen’ny hafa antsika. Mitaky andraikitra mivantana amin’ny olom-pirenena, araka izany, ny ho fanatsarana na ny fanavaozana tiana hajoro eto amin’ny tany sy ny firenena. I Madagasikara sy ny mponina ao aminy tsy afaka miandry.
Iaraha-manaiky fa tsy misy fanavaozana ho tafapetraka izany raha mbola tsy miara-mirona, tahaka ny nanonganana ny teo aloha, ny olom-pirenena rehetra. Mitaky finiavana ny fanovana avy amin’ny isam-batan’ olona izany. Tsy maintsy lavitry ny kajikajy manokana. Tsy mila miraviravy tanana, izay afaka manolotra dia manolotra. Ny afaka miara-mamadika ny bainga dia mamadika avy hatrany.
Saro-pady toa ny anakandriamaso tokoa ny firaisam-pon’ny Malagasy tsivakivolo manoloana ny karazana hodidina misy amin’izao fotoana izao. Tsy afaka havela ho raraka an-tany ny ezaka nitolomana, nampirehitra fanantenana. Tsy maintsy mampitovy fijery sy miara-manontona ny ezaka ho an’ny tombontsoa iraisana izay vao ho tafavoaka. Mila mahay maka sy mamerin-desona tsara fotsiny.
r.r




