Tarika Zandry Gasy: Mirona kokoa amin’ny famoronana

« Vakoka sy soatoavina ». Izay no nampisalorana ny rakikira voalohan’ny tarika Zandry Gasy, satria nirafitra mba hamoha, hamelona ary hampahafantatra ireo hira ba gasy efa natory aman-taonany maro ny tarika, tany am-boalohany. 15 taona aty aoriana, mirona amin’ny fampahafantarana bebe kokoa ireo hira noforonin’ny mpikambana ny Zandry Gasy. Anisan’ireo efa fanta-daza ry « Hanina ny taniko », « Kidaom­baramita », « Avia izany zanako izany », izay narahin-dry « Man­drakizay doria », « Tsara fatotra », « Ba gasy mazia romotra », sns, taty aoriana. « Mety ho sanganasanay avokoa ny anatin’ny rakikira manaraka eo. Tsy midika akory izany fa tsy hitrandraka ireo hira gasigasy toy ny efa fanaony ny Zandry Gasy. Mba fanirianay koa ny hiampitan’ireo hira noforoninay amin’ireo mpankafy, ary efa voarain’izy ireo izany », hoy i Mbola Talenta, anisan’ireo mpamoron-kira.
Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny tarika Zandry Gasy avokoa ireo hetsika rehetra hataony hatramin’io taona ho avy io. Anisan’izany ny seho izay hotonto­saina ny zoma 5 desambra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fotoana hamerenana ireo hira rehetra nataon’ny tarika na ireo noforonin’ny mpikambana izany, na ireo nomena aina vao.

Zo ny Aina

Partager sur: