Ady amin’ny piraty : Efa nihena ireo kapila nodorana

Tsy an-kiato ny asan’ny borigady manokana misahana ny ady amin’ny hosoka amin’ny zavakanto sy ny vakoka na ny BAP. Nisy ny fandorana ireo vokatra hosoka notontosaina omaly, teny amin’ny fokontany Morondava. Kapila manodidina ny 5 000 isa eo, miampy an’ireo “décodeurs” tsy ara-dalàna toy ny “Hello box”, sns, no nopotehina ampahibemaso. Tsapa fa efa nihena noho ny teo aloha ny kapila hosoka nogejain’ny BAP tamin’ity. Antony roa mazava ny mahatonga izany: nahomby ny paikady amin’ny ady amin’ny piraty andaniny, efa tsy maro mpanjifa ihany koa ny kapila ankilany. Nitombo isa kosa irony “décodeurs” tsy ara-dalàna, izay tena mamono ny asa fandraharahana indrindra manodidina ny sarimihetsika.
“Miainga amina vaovao marim-pototra izahay, ka rehefa voamarina dia miroso amin’ny fisamborana sy fanagejana ireo entana sy fitaovana fanaovana piraty. Mbola misy ny kapila, misy ny décodeurs, misy boky dika mitovy, sns. Eny amin’ireo toerana akaiky fiantsonan’ny taksiborosy no tena fiasan’ireo mpivarotra hosoka”, hoy ny nambaran’ny manampahefana iray eo anivon’ny BAP, omaly.

Zo ny Aina

Partager sur: