“Lany soa aman-tsara ny tolo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no nandroso ny tolo-dalàna momba izany. Taorian’ny fandinihana fanindroany hatramin’ny nandanian’ny Antenimierandoholona ny fanitsiana azy, lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierampirenena izany, afakomaly.
Anisan’ny fanovana tamin’ny tolo-dalàna ny amin’ny famokarana sy ny fanaraha-maso ny toaka malagasy ho an’ny hetra. Eo koa ny fanitarana ny komity “fampahafantarana fanarahan-dalàna” eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Toy izany koa ny anton’ny fampitsaharana ny famokarana toaka tsy ara-dalàna amin’ny tahan’ny alikaola malagasy sy ny fametrahana rafitra miandraikitra ny fanaraha-maso ny fiarovana ara-tsakafo sy ny kalitaon’ny vokatra, izay hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eo koa ny fanampiana ny mpamokatra amin’ny fampanaraham-penitra ny toaka gasy eo amin’ny kalitao. “Efa miandry sy mangetaheta fatratra, raha ireo tantsaha mpamokatra azy”, hoy ny depiote Liva Rason. Ny didy fampiharana izay fa tsy inona akory…
R. Nd.




