Fahatelo sady farany. Fotoana ela no efa nandrasan’ireo mpanaraka ny sarimihetsika « R+3 », ny andiany fahatelo, izay nivoaka nanomboka omaly. Ao mantsy ny valin’ilay misitery tsy naseho tsara hatrany am-boalohany.
«The Judgement of Time». Izay no nampisalorana ny andiany fahatelo amin’ilay andiana sarimihetsika «R+3». Nalefa voalohany tao amin’ny Cinépax Madagascar, tetsy Ambodivona, izy ity, omaly. Tonga maro ireo efa nanaraka ny andiany voalohany, satria liana amin’ny tohiny sy ny mety ho fiafaran’ilay tantara. Ao anatin’ity andiany fahatelo sady farany ity mantsy ny valim-panontanian’ny maro, amin’ny tena ivon’ity sarimihetsika ity.
“Nahita ny nahaterahan’ny R+3 izahay. Nametra-pitokisana ary niara-dalana tamin’ireo nanatontosa hatramin’izao. Tsapanay ny fanohanan’ny mpankafy ny vita eto Madagasikara tamin’ny alalan’ity andian-tsarimihetsika ity ary voninahitra ho an’ny Cinepax ny maha efitrano nanasongadinana ny talentan’ny Malagasy”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Cinépax, Holy Razafindramanana.
Nanova tsikelikely ny fijery an’ilay hoe “filma gasy” ny nivoahan’ny sarimihetsika “R+3”. Telo taona lasa izay, nanozongozona ny tontolon’ny sarimihetsika mihitsy ry Kalolahy Givennio, mpamorona, nampian-dry Patrick Ramangason sy Franck Dix, mpanatontosa ary ireo mpilalao izay tsy nisy tena nilomano be tanatin’ny tontolo nialoha izao. Lafiny teknika, nahitam-pivoarana be, tsy mbola hita tamin’ireo vokatra malagasy mahazatra ny andiany voalohany ity vokatry ny Street Company ity. Nezahina notanana izany, na hita somary latsaka aza taty amin’ny andiany fahatelo. Lafiny filalaovana, efa nitoetra ny fahatokisan-tena teo amin’ireo mpilalao fototra, nampian’ireo efa olo-malaza toa an’ireo mpanakanto Jaovavy, Ngiah Tax, Shadow Banks, sns. Mbola nitoetra hatrany koa ireo tena nampiavaka ny sarimihetsika: somary mampatahotra, mahasahisahy, manasongadina ny tena zava-misy, ny tenin-jatovo miaro ireo lazaina fa “teny ratsy” kanefa fampiasa andavanandro ihany…
Niainga tao amina trano lehibe iray tsy vita hatramin’ny farany ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, ao Barikadimy, izay fantatra amin’ny anarana hoe “R+3” ny tantara. Maneho ny fiainan’ny tanora ao Toamasina, mikitika ny lafiny politika, fandriampahalemana, sns, izany. Niitatra kely taty Antananarivo ity andiany fahatelo ity. Hanomboka ny zoma 5 desambra izao ny fandefasana ho an’ny daholobe ao amin’ny Cinepax. Toraka izany koa ny any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana.
Zo ny Aina




