Famoronan-kira. Nahavita be ireo teo aloha… Nazoto nandimby ny taty aoriana… Dia variana teo. Nisy fiantraikany amin’ny tontolon’ny hira ity tranga ity… Na teo amin’ny isa na tany amin’ny kalitaon’
ny hira taty aoriana, nihena sy nidina be tao anatina fotoana fohy. Tranga nianjady tamin’
ny tontolon’ny hira malagasy izy io. Toa nifaly sy nionona fotsiny tamin’ny famerenana izay vitan’ny teo aloha, ireo mpihira na mpitendry zavamaneno, taty aoriana… Satria, sady nanamora ny lalana no nahazoana tombony vetivety?
Nanome vahana io karazana «hakamoana sy hafetsifetsena» io ihany koa ny fipoirana sy fitobahan’ireo hira tsy misy fotony (hira tsy manam-pototra na tsy fanta-pototra) any amin’ny mpanjifa sy eny amin’ny fiarahamonina. Nitodika hoazy tany amin’ireo hira voaforona tany aloha ny saina sy ny fon’ny Malagasy. Ao anatin’ireny hira ireny no mbola ahenoina sy ahatsapana ny fisian’ny «fanahy» nenti-namorona.
Raha ny fotoana lany, ny vola miditra, ny fihenan’ny fikarakarana sy ny fiomanana isan-karazany: «aleo mamerina toy izay mamorona». Mahazo tombony kokoa ny mpamerina. Mety ho fatiantoka ho an’ny tontolon’ny hira malagasy, anefa, ity tranga ity, satria, tsy hisy na hihena ny hira vaovao. Na, sanatria, ireo hira voaforona tany aloha no mody amboamboarina dia lazaina fa vaovao… Mamita-tena!
HaRy Razafindrakoto




