Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady sekreteram-panjakana eo anivon’ny fitsarana any Soisa, Franz Xaver Perrez. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
Nifanaiky ny roa tonta tamin’izao fihaonana izao fa hogiazana ireo fananana sy kaontin’ny teratany malagasy, tafiditra anaty vola maloto, napetraka any Soisa. Eo ihany koa ny fampodiana an-tanindrazana ireo olona voaheloka any Soisa ary ny fifanekena amin’ny famerenana an-tanindrazana ireo volan’ny fanjakana malagasy. Voaresaka tamin’ny fihaonana ihany koa ny fanamorana ny fifanakalozana mpiasa sy mpianatra any Soisa.
Nisongadina tamin’izany koa ny fiverenan’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy sosialy eo amin’ny fanjakana roa tonta.
Ankoatra izay, nisy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Fitsarana iraisam-pirenena momba ny heloka bevava (CPI) tamin’ny delegasionina malagasy notarihin’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, tany La Haye (Pays-Bas), tamin’ ity herinandro ity.
Fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana
Nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny rantsam-pitsarana iraisam-pirenena ity fihaonana ity. Eo koa anefa ny momba ny ady heloka bevava ka nampahatsiahivan’ny minisitra ny soso-keviny efa narosony nandritra ny fandraisam-pitenenany teo anoloan’ ny CPI. Anisan’izany ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana na ny antsoina hoe “Capture d’Etat”.
Nifampidinihina tamin’ny fihaonana koa ny fifampizarana ara-teknika ho fampiroboroboana ny rafitra ara-pitsarana.
Tsiahivina fa voafidy ho anisan’ny mpikambana mandrafitra ny Vaomiera misahana ny tetibola sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny CPI, Raveloson Aimé Gilbert. Tale jeneraly misahana ny fandaharanasa sy ny loharanon-karena eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ity farany.
Synèse R.




