Fanomezan-kasina ny fototra : Mila hatevenina amin’ny lalàna ny fifanajana

Iray amin’ireo tetika nentin’ny vahiny hamotehana ny fototra maha firenena ny firenena ny fampanjakana ny gaboraraka. Taona maro be no niaina tao anatin’izany ny Malagasy hany ka very ny fifanajana. Very ny fahaizana sy fahalalana ny maha izy ny tena, sns. Tranga izay niteraka tsy fahalalam-pomba. Ho fanomezan-kasina ny fototra. Mila hatevenina amin’ny lalàna, ny fifanajana. Fahiny, nisy ny dina. Tsy ho fampitahorana fa sady ho arofanina no hikajiana ilay fototra tsy ho simba na hiova. Mipetraka ho azy ny fifanajana.
Ny eto Imerina, ohatra, nametraka ny «tapimandry olona», amin’ny 9 ora alina any ho any. Izany hoe, io no fotoana (ora) hatoriany ka tsy tokony hisy tabataba intsony manomboka eo. Saingy, manomboka tsy voahaja izy io… Raha ilaina, hatevenina amin’ny dinam-piarahamonina na amin’ny lalàna ny fitsian’ny «tapimandry olona».
… Tsy ampy ny filazana : «fiverenana eny ifotony», raha tsy mahafantatra akory ilay tokony hiverenana (teny, fomba amam-panao, kolontsaina, zavakanto, fady, fanabeazana…). Noho izany, ny fanabeazana no mila hatsaraina. Ny fampianarana no mila hatevenina, satria, naharitra loatra ny niainan’ny Malagasy ny gaboraraka. Efa ela loatra ny nandaozany ny «fanahy no olona». Efa ela loatra ny «nahafaty ny feon’ny fieritreretany».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: