Miala amin’ny mahazatra

 

Mijoro etsy, mitsangana eroa ny fikambanana sy Vovonana milaza ho mpanohana sy mpiaro ny fanovana sy ny rafitra mifanaraka amin’izay. Mahavariana fa ny maramara indray no toa arovan’ny sivily sy ny olon-tsotra. Hafakely tokoa aloha ilay Madagasikara. Ny an’ny olona raha naka fahefana ny Tafika, tonga dia nanenjana sy nametraka ny tokony ho napetraka. Vetivety dia nahitam-bokany.
Ny antsika eto aloha dia mbola somary mampametra-panontaniana tokoa. Hanao sa tsy hanao àry ry zalahy ireto. Raha ny zavatra hita ivelany, mbola tsy misy raha manjary. Fa ny fivezivezena sy hetsika any ambadiky ny ridao kosa aloha dia maromaro izy ao ry zalahy. Mifanaretsaka any amin’ny sisintsisiny any ny mpanao afera. Mihaodihaody eny amin’ny seranam-piaramanidina eny izy ireo.
Io moa izany ny ahiahy tsy hihavanana. Mila mpitondra sahy i Madagasikara. Tsy ampy ny resaka hoe nijoro ny miaramila dia nirodana ny fitondrana. Tsy hoe ny olona niova no zava-dehibe fa ny fomba amam-panao sy ilay rafi-pitondrana. Iray volana izay ny lasa ho an’ny governemanta, tsy hita mihitsy izay tena tiana hahatongavana. Mandrava ny efa ny sasany, manao hosanahosana ny teo aloha ny hafa.
Manahirana izy ity fa tsy hatao mahakivy. Ny isam-batan’olona mihitsy no mila mihetsika sy mandray ny andraikitra manandrify azy. Tsy misy fika intsony ny mifampiandry. Hijanona ho nofy fotsiny ilay mba te ho Burkina Faso izany. Ny an’ny olona vao firy taona efa mivangongo, tsy afa-mivoaka ho an’ny hafa, ny harem-pireneny. Ny antsika ity tsy hay hoe mankaiza na mankaiza. Mila fandinihana lalina ny fandehan-draharaha. Mila miala amin’ny mahazatra!

r.r

Partager sur: