Hanampy isa ireo boky amboaran-tononkalo ny « Aza miova ». Mampiavaka azy ny lohahevitra voizina, mifototra amin’ny fahatsaran’Andriamanitra. Fandraisana anjara amina ezaka fanorenana fiangonana ihany koa.
Tetikasa mitohy ny «Amboara fanarenana». Boky amboaran-tononkalo telo no kasain’ny mpanoratra Lolona Randriamampianina havoaka anatin’izany. Efa nivoaka tamin’ny taona 2022 ny «Miorena». Nampahafantarina voalohany ny alakamisy teo kosa, teny Betsizaraina, ny vokatra faharoa, «Aza miova». Boky mirakitra tononkalo miisa 59, ahitana takila 68 izy ity. Nanao ny teny fanolorana Rakotonavalona Maholy, mpitandrina, Filoha mpanampin’ny FJKM sady mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy, sy ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean, filohan’ny sokajy Haikanto ao amin’ny Akademia Malagasy.
«Amboaran-tononkalo mifototra amin’ny fahatsaran’Andriamanitra: Ny fitiavany – ny famindram-pony – ny heriny – ny fahefany… Voasoratra mba hanavaozana ka hampijoro sy hampiorina hatrany ny finoana an’Andriamanitra», hoy ny fampahafantarana avy amin’ny mpanoratra. Navoaka indrindra ihany koa ny amboaran-tononkalo “Aza miova” mba ho anjara biriky amin’ny asa fanorenana atao ao amin’ny FJKM Betsizaraina Finoana. Atolotra ho an’ny fiangonana ny boky 50, ka ny vidin’izay dia hampiasaina manontolo amin’io asa fanorenana io.
Voafetra ny fanontana ity boky ity. Niniana navoaka nialoha ny Krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona izany mba hanampy isa ireo zavatra azo hatao fanomezana. Narafitra indrindra ho an’izany mantsy ny fonon’ny boky. Mahakasika ny boky fanintelony anatin’ny tetikasa «Amboara fanantenana» kosa, «ankinina tanteraka Aminy, satria Azy ny talenta, Azy ny fotoana, Azy ny fandaminana rehetra. Dera ho an’Andriamanitra! Tena mankasitraka Azy ny tenako fa tsara izy sady mpanao ny tsara», hoy ny mpanoratra Lolona Randriamampianina.
Zo ny Aina




