Nolanian’ireo loholona miisa 15 tsy nasiana fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola «LFI 2026», tamin’ny fivoriana natao, omaly tetsy Anosy.
Anisan’ny nisongadina amin’izany ny fanapahan-kevitra momba ny mpiasam-panjakana ka hampiakarana izany ho 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tambin-karama ho an’ny trano fonenana, aro loza, ary ny fahalaviran-toerana. Manampy ireo ny fampidirana ireo mpiasam-panjakana miisa 13 274 ka hampiditra mpiasa ny eo anivon’ny fampianarana. Miisa 9 300 izany ka ho an’ny fanabeazam-pirenena 9 000 raha miisa 200 ny fampianarana teknika ary miisa 100 ho an’ny eny amin’ny oniversite.
Ho an’ny mpitandro filaminana, hampiditra 3 300 ka miisa 1 300 ny eo anivon’ny tafika raha 1 000 avy kosa ny ao amin’ny zandary sy ny polisy.
Ny sehatry hafa indray, miisa 674 ka ho an’ny fahasalamana ny 500. Hampiditra mpiasa koa ny sehatry ny fambolena sy ny jono ary ny tontolo iainana ka miisa 140 izany.
Etsy andaniny, haverina hotantanan’ny eny anivon’ny kaominina ihany ireo hetra samihafa eny ifotony (IFT sy ny IFPB).
Tsiahivina fa efa nolanian’ny Antenimierampirenena io volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy io ary izao tsy nasian’ireo loholona fanitsiana izao intsony rehefa nifampidinihan’izy ireo.
Dingana manaraka aorian’izao ny famadihana izany ho lalàna amin’ny alalan’ny didim-pitsarana havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Synèse R.




