Handray anjara amin’ny «Oscars», andiany faha-98, ilay horonantsary «Disco Afrika». Sanganasan’i Luck Razanajaona ary novokarin’ny Africamadavibe Production izy ity, izay efa nandray anjara tamina «festival» maro maneran-tany momba ny sarimihetsika. Rariny raha toa ka voafantin’ny komity nasionaly handray anjara amin’ity hetsika goavana, hankasitrahana ny sarimihetsika maneran-tany ity, ny sanganasany. Sambany no hisy vokatra malagasy hifaninana ao amin’ny sokajy sarimihetsika iraisam-pirenena mendrika indrindra.
Iza no handimby an’i Orad ? Ho fantatra anio izay hisalotra ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara, amin’ny slam. Hatao ao amin’ny IFM Analakely ny famaranana, amin’ny 2 ora tolakandro. Mialoha an’izay, mbola hisy ny fifanakalozana sy fifampizarana miaraka amin’i Nico K, izay vahiny manokan’ny «Festival Madagaslam» amin’ity andiany faha-16 ity. Hanomboka amin’ny 7 ora alina kosa ny lanonam-pamaranana ny hetsika eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, izay hafanain’ny tarika Grey.
« Michaël Jackson Tribute Show », miaraka amin’i Mandresy J Boys, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tsy handihy amin’ny hiran’i Jackson teo aloha intsony, fa tena hihira mihitsy izy. Hanaraka an’i Mandresy mandritra izany ireo mpitendry kalaza toa an-dry Rolf (gitara beso), Ulys (gitara), Hery (amponga maroanaka) ary Tony Ratefy (vata maroafitsoka). Angamba tsy misy mahavita mihoatra noho i Mandresy raha famerenana ny hira sy fihetsika ary fitafin’i Michaël Jackson. Hatrany ivelany mihitsy izany.




