Anisan’ny hetahetan’ny FFKM ny hanombohana ny fikaonandoham-pirenena eny ifotony, eny anivon’ny fokontany.Ho fanombohana izany ny fanokafana ny hetsika rehetra, ny alarobia izao.
«Homena sehatra bebe kokoa ny eny ifotony », hoy ny eo anivon’ny FFKM. Voalaza fa efa misy rahateo ny tetibola hiatrehana izany.
Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny antsipiriany sy ny ho fizotran’ny fikaonandoha hotarihin’ny FFKM. Efa natsidiky ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael izany tamin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety vahiny, ny herinandro teo. « Hajoro aorian’izany ny Repoblika vaovao eto amintsika. Vonona izahay hihaino sy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka », hoy izy.
Etsy andaniny, efa mihetsika avokoa, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena ireo antoko politika sy fikambanana samihafa amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ireo antoko politika miisa 30 hidinika eny Ankorondrano, ny 12 sy ny 13 desambra izao. Anisan’ny hiatrika izany ireo vovonana anakiroa, ahitana ny avy amin’ny Sehatra ifanakalozana hanatsarana ny politika (Siap) sy ny avy amin’ny Komity fanavaozana ifotony (KFIM).
Efa miomana avokoa ireo antoko politika
Nambaran’ny mpikambana, Ratsiraka Annick, fa hampitovy tadin-dokanga izy ireo ary hamolavola hevitra iraisana. Anisan’ny hifantohan’izy ireo koa ny fametrahana lasitra ho amin’ny fahamarinan-toeran’izao fitondrana izao ka hiverenana amin’ny rafitra mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. « Hapetraka ny paikady iraisana ka tokony hifanaraka amin’ny vokatra andrasana izany », hoy kosa ny mpandrindra ny KFIM, Ralaiseheno Guy Maxime.
Tsiahivina fa efa samy miomana amin’izany avokoa ireo antoko misy. Anisan’izany ny eo anivon’ny MMM, ny Tim, ny HVM sy ny eo anivon’ny vovonana Irmar…
Synèse R.




