Amin’izao, tsy fantatry ny vahoaka intsony: Tetezamita sa fanomanana izany? Saika iandrasana fikaonandoham-pirenena avokoa ny zava-drehetra? Na rafitra io, na lalàna, na fomba fiasa, na izay hatao, na… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina amin’ity hoe fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Na ny amin’izay fotsiny aza, mahabe resaka sy adihevitra ny sasany. Mandra-pitrangan’izay hitranga, arakaraka ny mampihemotra na hanemorana ny raharaha no toa vao mainka mampitombo an-dalana ny resaka etsy sy eroa. Misy tonga amin’ny fangatahana, fitakiana, fanomezan-tsiny…
Tsy aleo lazaina izay atao ary atao izay lazaina? Efa misy ny mpanao politika miady izay ho azy: manomana fifidianana, manao karazana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana… Tsy ahoany izay fanovana na fanavaozana any, fa izay hahazoana fahefam-panjakana ihany. Mifamitaka an-toerana izany? Sanatria… Ny hetsi-bahoaka notarihin’ny tanora ary nofaranan’ny miaramila no nahatongavana amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Mby aiza? Na fanavaozana, na fanovana, na fanorenana ifotony… Ny taotrano tsy efan’ny irery na vita indray andro. Vao mainka ny hoe firenena…
Mila malina ny rehetra? Na mifanara-maso, mifanome tanana, mifanoro lalana… Ho aiza marina ary mandra-pahoviana? Ny ela fikenona, hono, may lamba; ny andraso lava, manariva ny mody; ny hadino lava, mahavery ny entana… Miasa mangina? Fa misy koa ny tsy miasa mangina: toy ny hoe miasa fa mangina, nefa mangina fa tsy miasa. Ny mpifankatia tsy mifamarafara, hono, very ny androantokom-pitiavana. Izay no mahatsara ny hoe lazaina izay atao, atao izay lazaina. Ndrao very an-dalana ny fifampitokisana? Na fifampiandrasana amin’ny hoe: iza no manao inona, aiza ary mankaiza?
R. Nd.




