Voalohany eto Madagasikara. Vovonana mitondra fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ny « Visited », tambajotra sosialy vita malagasy.
«Manampy amin’ny fijerena ny hakanton’ny Nosy sy hamaly ny fanontaniana rehetra manitikitika ny tsirairay ny faharanitan-tsaina artifisialy (Visited AI) miaraka aminy», hoy i Alpha, mpamorona ny tetikasa. Tombony ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ny fizahantany ny fampiasana ity tambajota sosialy, malagasy, ity noho izy tsy mila « boost page » fa azo jerena ao anatin’ny Application avokoa ny mombamomba ny pejy rehetra. Tanjona, araka izany, ny hamaliana ny filàn’ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’ny tolotra ataony ny fanaovana famandrihan-toerana sy fividianana entana samihafa. Ankoatra izay, mandrindra ny fotoana sy hanaovana fikarohana samihafa ny « Visited AI », izany hoe, manampy amin’ny fitadiavana toerana tsara sy miavaka ary manolotra « bon plan » samihafa amina faritra iray izy, raha ny fanazavana hatrany. Araka izany, tsy mitovy amin’ny tambajotra sosialy mahazatra ny Visited fa mametraka lohalaharana ny fahafaham-po sy ny traikefa azon’ny mpampiasa azy, raha ny fanazavana. Ankehitriny, miisa 15 000 ny mampiasa ity tambajotra maneran-tany ity ary tanjona ny hametraka azy ho taratry ny sehatry ny fizahantany maharitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta.
Mpiara-miasa
Mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny Plateforme stratégique opérationnelle Multi-angulaire (PSOM), ny tambajotra sosialy Visited, amin’ny alalan’ny vovonana « Instant Democracy ». Sehatra iray ahafahana mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena sy handraisana ireo fangatahana marolafy mifanandrify sy mifanaraka amin’ny filàn’ny fiarahamonina. « Ivondronan’ireo sehatra marolafy eo amin’ny firenena kosa ny Psom, izay hihainoana sy handraisana ny hetahetan’ny fiarahamonina », hoy ny mpiara-manorina ny vovonana, Razafiniarivo Manohy.
Henintsoa




