FANTINA sy FINTINA

Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo.
Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René de Rolland. Nambarany tany Sam­bava, ny herinandro teo, fa sokajiana ho toy ny mpangalatra harem-pirenena ireo mpangalatra tany manom­boka izao. « Tsy mijanona amin’ny hoe afaka aminy
fotsiny ilay tany fa henjehina ihany koa izy ireny. Hasa­rotina koa ny fahazoan’ny vahiny ny tany», hoy izy.
Nambaran’ny filohan’ny antoko Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina, fa tsy tokony hafangaro ny fahaizana teny vahiny sy ny fahamboniana. Nohitsiny fa maro ireo manafangaro fa mahay rehefa miteny vahiny ary mariky ny fahamboniana eo amin’ny fiarahamonina izany. « Tsia. Tena endrika voalohan’ny fanjanahana izany », hoy izy.
Efa manomboka mizara ny anjara vola an­tsoina hoe Ciad isaky ny distrika ireo depiote. Anisan’ny nisitraka izany ireo kaominina miisa 26 eny Atsi­mon­drano ka nahazoan’izy ireo jiro « Lampadaire ». Sime­nitra sy fanitso kosa no hozaraina amin’ireo kaominina miisa 14 any amin’ny distrikan’Andramasina, anio.

Partager sur: