FFKM – Vina Madagasikara 2050 : Haharitra herintaona mahery ny fikaonandoha

Efa navoakan’ny eo anivon’ny FFKM ireo fotokevi-dehibe sy ny tetiandro samihafa momba ny dinika ho amin’ny fanavaozam-pirenena : Vina Madagasikara 2050 na ny fikaonandoham-pirenena. Handalo dingana samihafa sy miandalana izany.

Hita amin’izany tahirin-ke­vitra iaingan’ny FF­KM ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izany fa efa nanomboka ny volana novambra teo ny fikarakaraka sy ny fanomanana. Hitohy amin’ny taona ho avy manontolo iny izany ary amin’ny febroary, taona 2027 any ho any, vao hifarana tanteraka amin’ny alalan’ny fandravonana sy famolavolana izany ny dinika ho amin’ny fanavaozam-pirenena. Hisantarana izany, ny alarobia izao, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny di­nika. Anisan’izany ny fanomanana sy ny fampahafantarana ny fikaonandoha. Hitohy amin’ ny janoary sy febroary ary marsa izany, amin’ny alalan’ ny dinika eny anivon’ny fokontany. Marsa, avrily sy mey kosa ny fikaonandoha eny anivon’ny kaominina ary hitohy eny amin’ny distrika izany, ny mey sy ny jona. Ny volana jolay sy aogositra ny dinika eny anivon’ny faritra. Dinika mialoha ny fandravonana kosa ny septambra sy oktobra. Any amin’ny volana no­vambra vao fihaonambem-pirenena.

Lohahevitra miisa 10

Etsy andaniny, miisa 10 ireo lohahevitra fototra ary ahitana ny sehatra rehetra. Ani­san’izany ny fitantanana sy ny rafi-pitantanana. Eo koa ireo zo fototra rehetra. Ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanjakana tan-dalàna. Ny rafi-piarahamonina sy ny firaisankina; ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny maha malagasy. Ny fanajana ny tany sy ny tontolo iainana. Ma­nampy ireo ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena. Eo koa ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ny harena voajanahary ary ny fampivelarana ny ankizy sy ny tanora ary ireo marefo.
Anisan’ny fomba fiasa itondran’ny FFKM izany rehetra izany ny foto-keviny « Fie­ken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana – 4F ». Nambaran’izy ireo koa fa na­tao ho « Fanavaozam-pire­nena » izany. « Ongontana, aze­ra, ravana ary arodana ny fanaonao rehetra teo aloha, nahakizo fara ny firenena. Fa haorina sy hamboly kosa firenena vaovao ho lovan’ny taranaka mifandimby », hoy ny fiangonana.

Synèse R.

Partager sur: