Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany ny asa atao eny an-tsaha sy ny eny anivon’ireo toeram-pikarohana. Tanjona iombonana ny hamolavolana hoavy mamiratra ho an’ny tontolon’ny fambolem-bary eto Madagasikara.
Tsiahivina fa nahatratra 292 ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa tonga teto Madagasikara hatramin’ny taona 2002 izay efa nandray anjara tamina sehatra samihafa ho fampiroboroboana ny maha olona toy ny fahasalamana, fanabeazana, fanatanjahantena sy tanora ary fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Kendrena manokana ny hizara ny fahaiza-manao sy hanatsarana ny fiainan’ny fiarahamonina. Ankehitriny, mitotaly 35 ireo mpilatsaka an-tsitrapo mbola manohy ny iraka eo amin’ireo sehatra hizarany ny fahaiza-manaony.
Henintsoa




