Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », hoy ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny sasany aza mahavita manosi-potaka na manivaiva ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy noho io fisian’ny hasina omena ny mpanabe io. Mianatra mitendry gitara na piano, tsy maninona raha mandoa saram-pianarana lafo. Mianatra mitendry zavamaneno malagasy : « izay mianatra mitendry valiha koa ve dia mila mandoa vola »…
Sakana iray tsy mampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy io. Miha vitsy ny mahafantatra momba azy ireo… Hany ka na hira dridran’Ingilo sy angoan-tenda izao aza, lazaina fa kanto. Fitafiana rovitra, fihetsika mamoafady, nanjary tsy mampihetsi-bolomaso intsony ny Malagasy.
Mila fitaizana maharitra ny Malagasy mba hanome hasina ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto ao aminy. Tsy zava-baovao izy io fa ny teo aloha ihany no mety hiova endrika. Iray amin’izany ny vola.
HaRy Razafindrakoto




