“Araka ny takin’ny hetsi-bahoaka, hisy ny fanovana lalàmpanorenana. Handeha any amin’ny Repoblika V isika. Hiadian-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Toy izany koa ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny momba ireo andrimpanjakana rehetra manahirana: ny Ceni, ny HCC “. Io ny fanazavan’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana manokana, tao amin’ ny TVM, ny fiandohan’ny herinandro teo. Fanorenana ifotony ny Repoblika ny famaritana napetraka. Mila fanavaozana avokoa ireo andrimpanjakana. Voakasik’izay avokoa ny politika, ny toekarena, ny sosialy…
Atao izay hahatsapan’ny vahoaka fa misy mpitondra fanjakana miahy azy, mihaino, mikarakara… Hampianarina koa ny olom-pirenena: tsy tokony hanasohaso na nanindrahindra mpitondra fanjakana. Avy amin’ny vahoaka ny fahefan’ny olom-boafidy; na ny olom-boatendry aza: ny filohan’ny Repoblika no mamindra fahefana amin’ny governemanta. Ny fanindrahindrana no mahatonga ny mpitondra manadino fa mpiasam-bahoaka izy, mandray volam-bahoaka. Manan-jo mitaky ny fangaraharana sy ny fampiasana ny volany ny vahoaka. Tsy hoe misy elanelana be ny mpitondra sy ny vahoaka, lasa manome vahana ny fanararaotam-pahefana, fanodinkodinana volam-bahoaka… Mila fantatry ny vahoaka hoe izy marina no tena tompon’ny fahefana: tsy mangataka fa tokony hibaiko aza amin’izay tadiaviny amin’ ny fiainana andavanandro.
Hiarahan’ny rehetra ny fehin-kevitra, ary havadika ho lalàna. Ny minisitera misahana ny Fanavaozana no hiandraikitra an’izay. Hoentin’ny governemanta eo anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàmpanorenana. Aorian’izay ny vahoaka no hifidy na hanao fitsapan-kevitra momba ny lalàmpanorenana.
R. Nd.




