Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, nanomboka ny sabotsy teo, ny Olympia eny Tanjombato. Tranombarotra ivondronan’ireo Malagasy mpandraharaha sy vahiny izay midadasika amina velarana 16 800 m². Goavana sy manara-penitra tanteraka ny fotodrafitrasa, ahitana toeram-piantsonan’ny fiara misy rihana dimy izay mahazaka fiara hatrany amin’ny 240 ny Olympia. Mbola izy ihany koa no tranombarotra voalohany eto Madagasikara hametrahana dobo filomanosana sy toeram-pikarakaram-batana toy ny “SPA”. “Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ka ahafahany misitraka ny filàny rehetra anatina toerana iray”, hoy ny tomponandrakitry ny serasera, Rakotoarivony Menja. Nohararaotina, hoy izy, ny vanim-potoan’ny fety nanokafana ny tranombarotra mba hahafahan’ny mpanjifa misitraka ireo fihenam-bidy eny an-toerana, fa indrindra hampahafantarana ny rehetra ihany koa ny tolotra marolafy. Ahitana banky, entana sy kojakoja isan-karazany ary toeram-pisakafoana izay mampahafantatra ireo karazan-tsakafo sy tsiro maneran-tany ao amin’ity tranombarotra ity.
Toekarena
Ainga vao ho an’ny toekarena ny fisian’ny fotodrafitrasa toy izao, noho izy manome asa sy mitondra tetikasa ho an’ireo Malagasy mpandraharaha ary fahatokisan-tena ho an’ireo mpampiasa vola vahiny vonona hanohana ny toekarem-pirenena.
Ankoatra izay, ahazo sehatra manokana ny ankizy. Misy ny toerana azo hametrahana azy ireo maimaimpoana isaky ny faran’ny herinandro mandritra ity volana desambra ity, mbola hisy ihany koa ny atrikasa maro samihafa mba hahafahany mampivelatra ny sainy.
Ankilany, mbola hisy ny fampisehoana ataon’i Nate Tex sy Mirado, ny sabotsy 13 desambra izao. Hetsika izay mbola tafiditra ao anatin’ny fisokafan’ny tranombarotra Olympia hatrany.
Henintsoa




