Maro ny trangam-piarahamonina miseho eto amintsika. Misy loza tsy nahy, maro ny iniana natao. Lasibatra tsy satry ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona. Maro ny patsa iray tsy omby vava, izay vidian-dafo na mihatra aman’aina. Betsaka ny olona mahita faisana tsy fidiny. Mahonena sy mampalahelo ny vokany. Maro ny mahavaky fo.
Tsy vitsy koa anefa ny voina noho ny tandrevaka sy ny antsirambina. Anisan’ny trangam-piarahamonina nanaitra omaly ny resaka zaza kendan’ny voana letisia. Tena mbola zaza no maty. Mipetraka ny fanontaniana amin’ny nahatonga ny voina: Sanatrian’ny vava ny tsy fitandreman’izay nitaiza ve no tonga amin’izao? Zaza mbola fahanana raha ny taonany.
Manoloana ny zava-miseho tahaka izany. Mila hamafisina ny fanentanana ireo ray aman-dreny mitaiza kely
amin’ny fahamarinana. Iaraha-mahita rahateo amin’izao fotoana izao ny salan-taonan’ny zatovolahy sy vavy miroso amin’ny fananahana. Ilay fahamatorana amin’ny fitaizana dia miainga amin’izay fanabeazan’ny fiarahamonina fotsiny. Tefen’ny manodidina.
Manana adidy goavana ny isan-tokantrano, hisorohana ny loza. Amin’ny lafin-javatra maro no ilana fahamalinana sy fitandremana. Vanim-potoana mahabe izany rahateo ny fotoam-pahavaratra toy izao. Aleo anefa misoroka toy izay mitsabo. Raha zaza iray taona sy tapany no kenda, omaly, mbola be dia be ny aretina mikiky sy mahafaty ankizy.
Asiana tsindrim-peo ny fahadiovana ho fitandroana ny fahasalamana. Tsy maintsy ampahatsiahivina fa zava-
dehibe ny fanasana azy ireny alohan’ny hampidirana azy am-bava. Mila ampiarahana amin’ny fanasan-tanana izany. Fihetsika tsotra sy bitika, mety hanavotra aina maro izany. Hangatahana ny tsirairay ho zary fahazarana sy fomba fanao anivon’ny ankohonana izany.
r.r




