Hafainganina ny fanarenana ny tohodrano any Sahamaloto Amparafaravola. Manondraka velaran-tany 10 000 ha izy ity raha vita, izay tena antoky ny fambolem-bary any an-toerana. Anisan’ny vahaolana maika nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, izany, mba hitsinjovana ny tantsaha, sady hiatrehina ny taom-pambolena 2025-2026 izay tena ao anatiny tanteraka izao.
Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka vatosoa any amin’ny kaominina Sahasinaka, distrika Manakara, ny zoma 5 desambra teo. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Ilaina ny fananana kara-bolamena sy ny fananganana ny fari-pitrandrahana manokana, ahafahana manohana azy ireo. Eo koa ny fanajana ny tontolo iainana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny toerana avy nitrandrahana.
Nikarakara varavarana misokatra momba ny ladoany ny Fitantanana ny fadintseranana Toamasina, omaly tontolo. Tanjona ny hahalalan’ny manan-draharaha sy ny besinimaro ny mahakasika ny ladoany sy ny asany rehetra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny lavanty amin’ireo entana ao anatin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay atao amin’izao fotoana izao.




