“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Dr kolonely Zafitasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no nanamboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, omaly. Tsy birao fotsiny ity fa sehatra itenenan’ny olom-pirenena mivantana ahazoany maneho hevitra an-kalalahana ny tsy mety sy ny ahiahy. Fitaovana ihany koa hanamafisana ny fangaraharana. Eo no ahazoan’ny Malagasy tsy ankavaka mitatitra ny tsy rariny, ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fahatomombanan’ny sampandraharaham-panjakana. Ka hanarenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana tsara tantana, araka ny foto-kevitra napetraka: ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly. “Andao hifanome tanana isika hanarina an’i Madagasikara vaovao indray, ho lavitr’izany kolikoly izany”, hoy izy.
“21 taona aty aorian’ny nananganana ny Bianco vao mba misy birao andraisana fitarainana eto Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izay, eny Ambohibao, Ambohidratrimo, no misy azy.”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Tsy ny maha akaiky azy ihany no maha zava-dehibe ny ivontoerana, fa azo andraisana torolalana samihafa manoloana an’
ireo mety ho olana mianjady amin’ny vahoaka ihany koa izany. Manentana ny rehetra izy hampiasa ny ivontoerana amin’ny fitondrana ireo raharaha kolikoly maharary azy. Vonona hamaly ny hetahetam-bahoaka ny birao.
R. Nd.




