Fikarakaram-batana : Efa azo atao eto amintsika ny fambolena volo natoraly

Manomboka mahasarika ny lehilahy ny fambolena volo natoraly «chirurgie capillaire», teknika fampaniriana ny loha sola na ny volo mihintsana. Izany hoe, angalana ny volo ao amin’ny farahatoka ary hambolena izany any amin’ny faritra tiana hanaovana azy », hoy ny mpamorona sady tompon’ny GladTouch, Andriano­nenana Gladys. Na izany, mandalo dingana maro vao afaka misitraka na tsia an’ity teknika ity. “Mila zahan’ny mpitsabo sy manao fitiliana vao azo atao ny fambolem-bolo. Natoraly tanteraka ny zavatra satria ny volonao ihany no hambolena aminao. Ara-pahasalamana ihany koa satria mpitsabo voaofana manokana sy mpiara-miasa aminay no manatanteraka izany”, hoy ny fanazavana. Araka izany, azo hambolena volo avokoa na ny volomaso na ny volom-bava. Ankoatra izay, efa herintaona mahery no nitondran’ny GladTouch ity teknika ity miaraka amin’ireo manam-pahaizana avy any ivelany sy mpiara-miombon’antoka aminy. Ankehitriny, afaka misitraka ity teknika ity ny rehetra raha toa ka manodidina ny 30 taona ka hatra­min’ny 65 taona noraisin’ny GladTouch an-tanana nanaovana izany hatreto. Fiofanana taorian’ny fangatahan’ny mpanjifa, nandalo fiofanana maro samihafa sy nandrato fianarana tany ivelany Andria­nonenana Gladys vao nitondra ny fahaiza-manaony teto amintsika ary nampiditra ny teknikam-pambolem-bolo na­toraly teto Madagasikara. Ankehitriny, mankalaza ny fahadimy taonany ny Glad Touch etsy Andranobevava. Mbola vonona hatrany hitondra ny fahaiza-manaony
amin’ny fikolokoloana ny vatana sy taovolo ny mpanorina hanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifa.

Henintsoa

Partager sur: