Filoha vaovaon’ny Ceni, Rakotonarivo Thiery ; « Miankina amin’ny fikaonandoha ny hoavin’ny fifidianana »

Nandray ny fitantanana ny Ceni ny filoha vaovao, Rakotonarivo Thierry, omaly, rehefa nametra-pialana ny filoha teo aloha, Andrianarisedo Dama Arsène. Niova ny birao ary napetraka ny laharam-pahamehana.

Nambaran’ny filoha vaovao ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity fa anisan’ny laharam-pahamehana aloha izao ny fikaonandoham-pirenena. Hamaritra ny dingana rehetra hatao eto amin’ny firenena izany. «Mi­ankina amin’ny tapaky ny va­hoaka eo no ahitana ny fotoana hanatanterahana ny fifidinana na ny fitsapankevi-ba­hoaka na koa ny rafitra hikarakara ary hanomanana izany», hoy izy. Nanteriny fa anjaran’ny Ceni ny manatontosa izany raha mbola tafiditra ao anatin’ ny fe-potoam-piasan’izy ireo amin’ny taona 2027 izany.
Notsiahiviny fa tafiditra ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena koa ny momba ny Lalàm­panorenana vaovao sy ny fa­na­tsarana sy ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana. «Anisan’ny mpandray anjara hatreny anivon’ny fokontany izahay ary hamolavola ny ekipa sy hanome toromarika ka hanazava izany amin’ny vahoaka ho amin’ny fikaonandoha», hoy ihany izy. Notsin­driny fa tsy ampy ny lalàna mifehy ny fifidianana. Anisan’ny sakana, ohatra, ny mpiasam-panjakana miandany, ny fampiasana fahefam-panjakana ary ny fitaovam-panjakana. Tsy mitovy koa ny hoenti-manan’ireo kandidà. Ny anarana miverina anaty lisi-pifidianana, eo koa ny fanamparam-pahefana sy ny hala-bato. «Tsy ampy sy tsy feno avokoa ny lalàna ka ezahina ny hanatsarana izany», hoy izy.
Notsindriny fa anisan’ny dingana nahatongavana amin’ izao maha filohan’ny Ceni izao ny fametraham-pialan’ny filoha teo aloha ka nirosoana ny fifidianana teo anivon’ny birao.

Synèse R.

Partager sur: