Atao eto Antananarivo, omaly 9 sy anio 10 desambra, ny fikaonandoha iraisam-pirenena. Fihaonana mifantoka amin’ ny fametrahana fanamby hikarohana vahaolana hisian’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny toekarena maitso.
Miaraka mikarakara ny fotoana, ny Indri, ny Miarakap, ny Economic Policy Network ary ny Kinome. Nanatrika tao daholo ny sehatra avy amin’ny fanjakana, ny mpandraharaha ara-toekarena, ny teknisiana malagasy sy vahiny, ka anisany ilay mpahay toekarena avy any amin’ny Oniversite Oxford, Stefan Dercon. Tanjona, ny hikarohana vahaolana miaraka, ny karazana fanoitra ara-toekarena maharitra eto Madagasikara.
Anisan’ny nivoitra ny fitanisana ny fahombiazan’ny firenena mahantra naharitra am-polon-taona, toa an’i Sina sy Maorisy, ohatra, saingy niova nandroso tanteraka amin’izao fotoana izao. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Indri, Ramaholimiaso Barijaona, fa tsy maintsy karohina ny hevitra, ka anisan’ny laharam-pahamehana ny fanovana ny toe-tsaina. Ny fisian’ny krizy politika farany teo iny dia tokony hiteraka fanovana goavana, ka manana andraikitra amin’izany izahay mandray anjara amin’ity fivoriana ity. Ao anatin’izany ny tokony hampiasana ara-drariny ny harena voajanahary sy ny harem-pirenena, fa tsy avela miha-simba toy izao. Mila finiavana politika goavana izany rehetra izany.
Madagasikara irery no nihemotra
Nilaza ny tale jeneraly ny Miarakap, Emmanuel Cotsoyannis, fa manana fanantenana ny handrosoan’i Madagasikara ny tenany. Mahagaga fa i Madagasikara irery sisa ny firenena maneran-tany nihemotra tsy mety mandroso fa vao maika mahantra indrindra. Tsy maintsy dinganina ny sakana. Ho an’ny mpahay toekarena Stefan Dercon, mila mandray anjara avokoa ny manam-pahaizana malagasy, mba hisian’ny fandrosoana ara-toekarena maitso. Tsy azo ekena intsony ny fanaovana ampihimamba sy ny fanilikilhina ny hafa.
Nanodidina ny 800 dolara isan’olona ny harikarena faobe PIB eto Madagasikara ny taona 70, saingy zara raha misy 400 dolara isan’olona sisa ankehitriny.
Njaka Andriantefiarinesy




