Jaw’s Band – Fiderana sy fizarana : Hisy ny « Gospel Vibe Christmas » 2025

Krismasy nahaterahan’Ilay Mpamonjy. Hanatanteraka seho mifanaraka amin’izany ny Jaw’s Band. Hifantoka amin’ny fiderana sy ny fizarana, raha ny nambaran’ny mpikarakara ity andiany voalohany ity.

Rehefa nomanina sy novolavolaina tao ana­tin’ny fotoana maro… Raikitra fa hotanterahina ny ny talata 24 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Am­phithéâtre Sainte Famille Mahamasina ilay fampisehoana «Gospel Vibe Christmas» 2025. Nambaran-dRandim­bin­janahary Tahiana avy ao amin’ny Giga Vibes Event, mikarakara ity seho sehatra evanjelika ity fa: «hiavaka tamin’ireo fampisehoana efa nataon’ny Jaw’s Band hatramin’izay izy ity, satria, hifanaraka amin’ny vanim-potoa­nan’ny Noely ny loko sy ny fomba fihirana ny sanganasan-dry zareo. Tahaka izay ihany koa ny fisehoana eny an-tsehatra sy ny zavatra rehetra mifanaraka amin’izany, toy ny jiro sy ny ravaka, sns». Nohamafisin’ny mpikarakara fa: «fampisehoana hanjakan’ny fiderana sy ny fizarana ny Gospel Vibe Chrismas, édition 2025».
Fantatra fa mifantoka bebe kokoa amin’ny «gospel» ny Jaw’s Band. Na izany aza, mihira amina gadona maro (milantolanto, mihetsika) ity tarika manana ny maha izy azy ity. Amin’ny ankapobeny. Ry zareo rahateo no hanatontosa iray manontolo ny fampisehoana, na eo aza ny vahiny nasaina, raha ny fandaharam-potoana nomanin’ny Giga Vibes Event. Hisy ihany koa ny fizarana aim-panahy. Heno ao anatin’ny sanganasan’ny Jaw’s Band rahateo ny fiankohofana sy fiderana ary ny fifampizarana. «Tsy toriteny no hatao amin’io fa fampivoarana ny maha olona, mifototra kokoa any amin’ny tontolo kristianina», hoy hatrany ny mpikarakara.
Ity fampisehoana rindran-kira evanjelika ity no hetsika ofisialy voalohany karakarain’ny Giga Vibes Event. «Mive­latra amina fikarakarana seho sy hetsika samihafa, izahay fa tsy evanjelika ihany», hoy ry zareo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: