Lehilahy nitondra moto scooter tra-doza teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Ambohitrimanjaka sy Andranotapahina, teo amin’ny Ankadivory, kaominina Talatamaty, afakomaly. Nandeha irery tamin’ny moto, nivilavila io lehilahy io. Tsy nahafehy ny familiana intsony ka nidona tamin’ny sisin’arabe. Poa toy izay, nipitika ilay mpitondra moto ary saika nifatratra tany ambanin’ny kamiao iray nandalo. Nahitsaka ny hisatra nandritra ny tampoka nahazo azy ny mpamilin’io kamiao io. Voasoraka ny loza. Nozahan’ ireo nanatri-maso ilay mpitondra moto naratra. Nahatsiaro tena tsara na dia nisy naratra aza izy. Nosavaina ny moto nentiny kinanjo nahitana tavoahangy nisy zava-pisotro nisy alkaola. Mamo, araka izany, ity lehilahy ity. Etsy ankilany, mihatrana hatrany eny anivon’ireo toerana hivezivezen’ny fiara eto an-dRenivohitra ny mpitandro filaminana. Manao fisavana hentitra ho an’ireo mpampiasa fiara sy moto tsy manara-dalàna izy ireo. Na izany aza, misy hatrany ireo mihoa-pefy manao izay saim-patany kanefa mety hahatonga loza ho an’ny hafa. Ilaina hatrany ny fanarahan-dalàna hisorohana ny loza tampoka indrindra manakaiky ny vanim-potoana ny fety sy faran’ny taona tahak’izao.
Tsiferana R.




