Kamiao nitondra vary sivy taonina nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1 Bis), tsy lavitra ny tetezan’Ihazomay, omaly. Niainga avy any Bemahatazana io fiara mpitatitra vokatra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo. Tapaka ny hisatra ka voatery nadonan’ny mpamily tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Tsy nisy nahina ny ain’ireo olona roa tao anatiny.
Nodorana avokoa ireo rongony rehetra nogiazan’ny mpitandro filaminana tao Antsohihy, afakomaly. Nilanja 2 taonina ireo zava-mahadomelina voaangon’ny zandary tao an-toerana ireo.
Fiara Sprinter iray nivarina anaty rano rehefa nentina Bac niampita reniranon’i Tsiribihina, ny alahady 7 desambra lasa teo. Tandrevaka teo amin’ireo mpiasa sy ny mpamilin’ny fiara no nitarika ny loza. Simba avokoa ny ankamaroan’ny entana tao anatin’ny fiara niharan-doza.
Nitrangana firehetana tao amin’ny biraon’ny kaoperativa Soatrans, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza. Voafehy ara-potoana ny afo.




