Anio ny andro malaza voalaza fa hanombohan’ilay fikaonandoha. Mikaondoha sy mivorivory ny nahazo fanasana izay voalaza fa solontenan-dRamalagasy tsivakivolo. Ambohi-pihaonan’ny manam-pahaizana sy ny “manam-panahy”, eo ambany fitarihan’ny FFKM. Toy ny mahazatra aloha dia miangona amin’ny toerana iray, fa izay ho vontoatiny no hirariana hitondra soa ho an’ny firenena.
Raha mijery ny serasera eny amin’ny tambajotra sosialy isika, hita fa fivoriana tsy ankasitrahin’ny vahoaka malagasy rehetra akory izy io. Na ireo nasaina nitarika azy aza, efa mampiaka-peo ny sokajin’olona maro. Misy ny tsy resy lahatra intsony amin’ny raiamandreny am-panahy, mahazatra. Efa nahabe resaka taloha ho tsy azo antoka fa efa zatra “milalao vola” (?).
Na izany aza, andrasana kosa ny havoakan’ny dinika. Anisan’ny andrasan’ny maro ny mahakasika ny tondrozotra hitondrana ilay tetezamita. Iza sy iza no hitondra ny firenena ary ahoana ny fifantenana izay olona haka fahefana indray. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fizaran-tseza na tiana na tsy tiana. Izay rahateo ny mahazatra ny Malagasy rehefa avy mikaokaondoha tahaka an’io.
Tsy misy ny maha ratsy izany, saingy mba hitondrana fanamarihana anatin’ny famakafakana kosa ny momba ny fanavaozana rafitra sy ny fitakian’ny tanora na ny Gen Z. Hadino tanteraka ny zavatra handrasana taorian’ny fanonganana ny mpitondra teo aloha. Ny tena mampiteny ny tsy mahay miteny ny fahazaran-dratsy miompana amin’ny fakana toerana fotsiny.
Manana ny anjara toerany ny tanora, tsy tokony ho hadino sy tsy tokony hatao an-kilabao tahaka izay telo volana niova sy nihavaozana izao. Tokony ho lohalisitra ny tanora amin’ny lafin-javatra rehetra. Raha tsy izay dia kivorivory toy ny nahazatra fotsiny io.
r.r




