Voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tetsy Behoririka, omaly tolakandro, ny ankizivavy 8 taona. Novonjena tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ ny lalana Razafindramanta, Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 15 minitra tolakandro. Niseho teo akaikin’ ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka Sodiat Behoririka ny loza. Nihazakazaka hanenjika fiara taxi-be zotra 114, tetsy Behoririka ny renim-pianakaviana, 35 taona sy
ny zanany vavy vao 8 taona monja. Tafakatra mialoha tao anatin’ilay fiara ny reniny nitantana ilay zaza. Nivotsotra tampoka teny amin’ny tanany anefa ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany. Vokany, voahitsaky ny kodiarana taorian’ilay fiara fitateram-bahoaka io zaza io ka naratra mafy. Vaky ra ny lohany, nandriaka teo amin’ny arabe izany. Avy any Analakely hihazo an’Antanimena ity taxi-be namoa-doza ity, izay nentin’ny lehilahy 37 taona.
Nialana nenina
Nifamonjen’ny olona teny an-toerana ilay zaza taorian’ ny loza. Nanakana fiara hitondra io zaza io tany amin’ny hopitaly nefa ny reniny, izay nivimbina ny zaza teny an-trotroiny. Tsy nisy nandeha ireo fiara. Moto iray no nanolo-tena hitondra azy tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nialana nenina, saingy tsy tana ny ainy, raha ny tatitra voaray. Nalefa ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’izay.
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza, nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana, ny polisy miasa ao amin’ ny CSP3 sy ny polisy misahana ny lozam-pifampivoizana (BAC). Tsy hita teny an-toerana intsony ny niharam-boina tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana. Efa notanana natao andrimaso eny anivon’ny polisim-pirenena kosa ilay lehilahy 37 taona, nitondra ny fiara namoa-doza, amin’izao fotoana izao.
Manoloana ny tranga tahaka izao, ilaina hatrany ny fahamailoana ho an’ireo olona manenjika fiara fitateram-bahoaka mba hisorohana ny loza.
Mino




