FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparita­han’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly.

Hentitra ny Komity mpandrindra ny tolona (KMT), amin’ny alalan-dRakotomavo Lanto, fa tsy fana­vao­zana no hatao eto. « Tsy misy resaka fampihavanana izany amin’ny fitondrana ny dinika tarihin’ny FFKM. Tsy azo atao tsinontsinona ny tolona ka lavinay ny fampihavanana olona na vondron’olona », hoy izy.

Mitaky ny hamolavolana ny sata mifehy ny Tete­za­mita sy ny tondrozotra mifandraika amin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny GenZ. Nilanja sorabaventy teny amin’ny CCI Ivato izy ireo naneho izany ka nita­kina ny antony sy ny tanjon’ny Tetezamita. Ny faharetan’izany sy ny fomba fiasa. Eo koa ireo arofa­nina sy antoka demokratika.

Hentitra ny minisitra Gascar Fenosoa. Namba­rany fa fikaonandoham-pirenena ity fa tsy iraisam-pirenena. « Raharahan’ny samy Malagasy ka tsy misy idiran’ny vahiny na vazaha velively », hoy izy. Nohitsiny fa tsy nanasa ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny fitondrana. Efa naloan’ny vahoaka niaraka amin’ny forongony ireny ary nisy tolom-bahoaka teto.

Partager sur: