Gadona tsapiky: Nosafidiana ho harembakoka eo anivon’ny Unesco

Tsy manam-paharoa maneran-tany ny gadona tsapiky. Feno ny fepetra nandraisan’ny Unesco azy, ho haremba­koka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona.

Dingana goavana ho an’ ny zavakanto sy ny ko­lontsaina malagasy. Voasokajy ho anisan’ireo ha­rembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona eo anivon’ny Unesco ny gadona tsapiky. Fantatra io nandritra ny fivoriana faha-20 nataon’ny Komity iraisan’ireo governemanta natao omaly 10 desambra 2025, tany New-Dehli, Inde. « Miavaka maneran-tany ny kolontsaina mala­gasy, izay singa mampitombo ny maha izy an’i Madagasi­kara sy hahafantaran’izao tontolo izao azy », hoy ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera, izay nanao adisisika tamin’
ny fampidirana izany. Mbola manaporofo ny fanomezan-danja ny kolontsaina mala­gasy mantsy izany, taorian’ny fampidiran’ny Unesco ny fahazai-manaon’ny Zafimaniry, ny kabary ary ny hiragasy.

Ny faritra Atsimo Andre­fana no nihavian’ny gadona tsapiky. Nifototra tamina mo­zika nentim-paharazana izy io, izay nahitam-pivoarana taty amin’ny taona 1970 rehefa nahazo laka ny zavamaneno maoderina mandeha amin’ny herinaratra, toa ny gitara ma­ranitra sy ny gitara beso ary ny amponga maroanaka. Lasa izay rahateo ny lasitra nahafantaran’ny maro azy, ka na­hatonga ny tsapiky malaza maneran-tany. Maro ireo mpikaroka momba ny mozika, vahiny sy malagasy, no efa namoaka voka-pikarohana momba ny tsapiky. Nidina ifotony, nanadihady sy nitran­draka ny momba ity gadona ity sy ny kolontsaina manodidina azy izy ireo. Ny nitovian’ ireo voka-pikarohana: mozika mampihetsika, hiaingam-pigadona ary natao handihizan’ny mpianakavy ny tsapiky.

Tany amin’ny taona 1995 tany kosa anefa vao tena ta­fakatra taty anivontany ny lazan’ny tsapiky, ary vetivety dia nivoaka hatrany ivelany. Anisan’ny nitondra avo izany ireo mpanakanto avy any Atsimo Andrefana, nandalo tao amin’ny Studio Mars, toa an-dry Tirike, Tearano, Tera­kaly, Mamy Gotso, Rasoakini­nike, sns. Nialoha ireo anefa, efa nitrandraka izany ry Damily, Jean Piso, Boloko, sns. Lalao­vina amina karazan-danonana maro ny tsapiky, hatrany amin’ ny fianjahana any ambanivolo any. Tsy lavitra an’ity gadona ity teo ny kininike sy ny minotsike, karazan-dihy miaraka aminy.

Zo ny Aina

Partager sur: